4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Sarobidy - Dô Rajhonson

1-Sarobidy loatra ilay fitiavanao

Nomenao ahy , efa manjaka ato amiko ka aza manahy , ie,ie

Indro ny foko no efa natokako, ho anao irery ihany

Ho anao ry ilay tiako sy any tokako eto an-tany



2-Mamiko tokoa raha ny fitiavanao , tena sarobidy

Sambatra ny foko fa nahay nisafidy , ie ,ie

Mino marina aho ,fa ho finaritra ,raha ny ho avintsika

Satria ilay fitiavantsika hivoitra mibaliaka



Refrain :Tsy ataoko diso anjara na koa diso toerana

            Ny fonao efa tia izay azoko honenana

            Hametrahako ny aiko sy ny fanantenako

            Ny fiainako rehetra ho zary fahasambarana

            Ilay fitia tsy misy fetra



3-Sambatra ny fo ary azo antoka , anilanao ry tiana

Ny androm-pianako rehetra ho feno fifaliana

Tsy ataoko tsinontsinona ,na ho hamaivaniko

Tsy ambany sanatria, fa mahery lanja ato amiko izany hoe:tena tia



Refrain :...........



-Tsy atakaloko vola na harena hianao ry ilay tsy foiko

-Sarobidy amiko hianao ry ilay tiako


Partager sarobidy

Commenter sarobidy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Dô Rajhonson