4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Miaraka aminao - Dô Rajhonson

Rehefa eo ianao

mamiratra fitia ny efitranoko

lalovanao,

tarafinao.

Mientanentana ilay foko toa niahiahy

nefa fitiavana

tsy notambazana

foiko ho anao

efa babonao.



Sambatra aho manana anao

Eo anilako eo, eo foana ianao

Sambatra aho miaraka aminao

Fitiavako !



Omaly ianao nataoko vazivazy

dia nolaviko

ny angolanao,

ny teninao,

kanjo tonga ianao

nanolotra fitia

izay vao tsapako

fa tiako ianao tsy handao.

Tsy handao !

Tsy handao !



Hmmm sambatra aho eo anilanao...

Partager miaraka aminao

Commenter miaraka aminao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Dô Rajhonson