4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Eo foana - Ambondrona

Impiry moa,no nolazaina ianao
Mba hiteny aloha,vao manao ny atao
Avy eo mitanondri-dava,toy ireny resy lava
Tsy sahy mitaraina,hita rera-tsaina

Tsy teo ve aho,ka nahatsiaro irery ianao
Sa aleonao irery,amin'zay tsy miera
Saingy tsy fantarao,f'izay fotoana izay
Tsy mba ho azonao,averina indray,averina indray

REF:nila ahy ianao hatramin'zay ,dia teo aho
raha mila ahy ianao anio dia ho eo aho
tsy irery ianao,fa teo foana aho
ary ho eo aho,o!o!o!
raha irery ianao,dia irery aho

Aza omena tsiny,raha sahirana indraindray
Fa fitadiavan'io,ary ho anao sy ho ahy
Aza sorena akory,f'efa ato am-poko ianao
Na andeha atory,na hifoha,na hifoha

REF:...............

Partager eo foana

Commenter eo foana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ambondrona

Suite