4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ampy ahy - Ambondrona

Nalaina izy ny hiantso indray
Te ho any aho anefa tsy sahy
" zarako aza tsy hita hintsony ianao"
Avelako ho tapitra any
Sao izay ko no mba tiany atao
Na ny saiko aza tsy taitra amin'izany





Tsy hanery azy aho na hanontany
Manaiky koa aho rehef'izany, no hitany fa mety ho azy
Dia hionona ny saina
Andeha aho hiala amin'izay
F'izany ve no miandry ahy?
Ampy izay, ampy ahy





Ny ratràm-po ho vita eo ihany
Ny fotoana eo hanampy ahy
Tsy hifanerena sanatria na tsapaina
F'ho hita eo ihany
Avela hivalona rehefa izany koa no efa tiany atao
Fa ny fitiavana tsy atao an'izany




Ambo-po ihany ve ny ahy
Tsy ho tsiny anefa izany
Ny fiainana mitohy hatrany
Tsara tso-drano ...




Na ! na ! na ! na ! na ! ...




Ampy ahy, tsy hanenina aho
Tsy hoe mafy fo , fa izay no anjara
Tsy hiteny intsony aho, tsy hifendrofendro koa
Fa ampy ahy izay, efa ampy ahy

Partager ampy ahy

Commenter ampy ahy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ambondrona

Suite