4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ambondrona - Ambondrona

Toerana taloha nahitana ny hatanorana
Toerana fahiny nandalovan'ny fahazazana
Toeran'ny fahendrena nitoeran'ny   hadalana
Nahitana ny mangidy sy ny nahitana ny mamy


Nilalaovana fahiny(raha) raha mbola tsy nanan-tsiny
Nahalalana ny fitia ,taty aoriana ary ankehitriny

Tsinona izany,fa ilay tanàna,atolotray mpivazo
Ho an'ireo akama sy ho an'ireo izay hiaraka aminay
oh oh oh oh

Botry lava be izay mitondra ny anarany any;
Misy vavam-biby raha midina ambanimbany

Nilalaovana fahiny (raha) raha mbola tsy nanan-tsiny
Nahalalana ny fitia,taty aoriana ary ankehitriny
Tsinona izany,fa ilay tanàna ,atolotray mpivazo
Ho an'ireo akama sy ho an'ireo izay hiaraka aminay
oh oh oh oh

Ho anareo mpanotrona,na andro izao na mora
Indreto izay mivondrona, vazo an'AMBONDRONA
Hira iray ,tanàna nahabe ,oh oh oh oh


Tsinona izany,fa ilay tanàna ,atolotray mpivazo
Ho an'ireo akama syho an'ireo izay hiaraka aminay
oh oh oh oh

Ho anareo mpanotrona,na andro izao na mora
Indreto izay mivondrona, vazo an'AMBONDRONA
Hira iray ,tanàna nahabe ,oh oh oh oh
Tanàna nahabe,oh oh oh

Partager ambondrona

Commenter ambondrona

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ambondrona

Suite