4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Antso - AMBONDRONA

Ray , raha niantso Anao aho
fa resin'ny fiainana
Fay, tsy te hiala Aminao
Fandrao lavo indray aho na tsy hay
Fa ny fo feno loto
Ilay nitalaho taminao
Ka raiso aho
Raiso ho Anao
Fa vonona hodiovina indray
Soa fa manana Anao
Manome toky ahy hatrizay
Fo efa lao tokoa
Ka vonona indray aho ny handray
Anao ho mpiahy
Ny fiainana hoaviko aho
Ka miantso aho
Hoe raha sitrakao
Ny làlako re hazavao

Ref :
Ka dia ho miratra
Tsy ho maloka raha ny momba ahy
Ianao Ray no hitantana ahy
Ekeko izay avy Aminao
Miantso Anao
Omeo izay anjara ho soa
Ka mba manantena Anao Ray Tsitoha

Ray, 'zao vavako izao
Asandratro hiderana Anao
Fo , eny, misaotra Anao
Noho ny fiainako hatrizay
Ianao, ô ry Ray
No ekeko ho mpitarika ahy
Ka raiso aho
Raiso fa Anao
Miantso Anao mandrakizay

Ref:
Ka dia ho miratra
Tsy ho maloka raha ny momba ahy
Ianao Ray no hitantana ahy
Ekeko izay avy aminao
Miantso Anao
Omeo izay anjara ho soa
Ka mba manantena Anao Ray Tsitoha

Partager antso

Commenter antso

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe AMBONDRONA

Suite