4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsotr'zao - Zay

Tsy aniany,na kilalao
No mahatonga ahy hitia anao
Fa fitia,avy ao am-po,lay tsy mba mety ho lo
Fitia tsy rendrarendra fa ho doria

Tsy haitraitra,fa tena tia
Vonona mihintsy ny hiara-dia
Vonona hamafa ireo lasa,hanolotra ho anao
Fitiavana mandrakizay vaovao

REF:tsy hoe hilaza fa izao rehetra izao
no atolotro ho anao,toa ho nofy iany izany
fa izaho sy izay mikasika ahy rehetra
fitiavana tsy misy fetra
no omeko anao,TSOTR'IZAO

Ka raha mbola misy any ho any
Manambara aminao toy zany
Ho ento aty raha sahy miteny,milaza ombieny ombieny
Fa manana fitia ho anao,toy ny ahy

REF:tsy hoe hilaza fa ny volana eny ambony
irony kintana irony,no atolotro ho anao
fa izaho sy izay mikasika ahy rehetra
fo fanahy saina toetra
no omeko anao tsotra izao

Partager tsotr'zao

Commenter tsotr'zao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Zay

Suite