4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Anontanio azy - Zay

efa ela be mihitsy aho
no tsy mba nahita azy intsony
tsy nandre mihitsy izay mikasika azy
fa hatramin'ilay adiady kely
no tsy mba nifanena intsony
nefa mino aho f'izy izay mety efa tony

izaho aty dia efa te hahita azy indray
efa nanadino reo adiadinay

fa mba anontanio azy kely
mbola ao ve ilay fitiavana
fa mba anontanio azy kely
efa adino ve lay namana
fa mba anontanio azy kely
tsy mety intsony ve lay fiarahana
fa izaho aty mbola te ho tantanana

Partager anontanio azy

Commenter anontanio azy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Zay

Suite