4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Rahoviana - Lola

Tiako tiako ankafiziko loatra izay fiarahana izay
Tamoron-tsiraka moa , tsara ny andro tamin'izay
Fahatsiarovana teo amin'ny fiainako
Ilay fahatsoram-ponao nambabo tokoa
Ranomaso nilatsaka teo am-pisarahana
Dia nanamafy ny hafatra izay nifanaovana
Satriko foana ny hitoetra eo anilanao anie
Ny fotoana koa manam-petra voatery mandeha

                Rah'oviana indray vao ho hitako ianao ry tiako
                Tsy andriko intsony ny fotoana tokony hidinako
                Angamba raha izao no mitohy tsy ho zakako
                Asa izay hanjo!
                Rahoviana e ? Rahoviana indray ?

Ilay sary nomenao ahy ho fahatsiarovana
dia sasatry ny oroka hanembonana
Asa ianao any izay raha manao ahoana
Antenaiko koa fa toa ahy koa malahelo foana
Fa ny tsara indrindra avy amiko no natolotro
Sarobidy loatra tamiko fa nomeko avokoa

                Rah'oviana indray vao ho hitako ianao ry tiako
                Tsy andriko intsony ny fotoana tokony hidinako
                Angamba reha izao no mitohy tsy ho zakako
                Asa izay hanjo !
                Rahoviana e ? Rahoviana indray ?
                                                                     LOLA

Partager rahoviana

Commenter rahoviana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lola

Suite