4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy mino - Lola

Haiko fa leo ianao
Leo ny miaraka amiko
Nefa izaho mbola tena TIA   ANAO

Impiry aho no manontany
Fa inona no tsy ampy?
Vonona aho ny hanarina izany
Ireo vita taloha ve
dia ho nofy avokoa?
tsy mino aho, tsy mino aho!

TSY MANAHY
NINONINONA ATAONAO AHY
FA BABONAO HATRAMIN'NY ATY FANAHY
IREO FIJALIANA, IREO FAHORIANA
HO ZAKAIKO HATRAMIN'IZAY
MIANGAVY AHO AZA MBA ARIANA
MITALAHO, IZAY IHANY DE IFALIANA

Tsy kivy aho ny amin'izany
Fa hiezaka hatrany
Ao amin'ny mangidy no misy ny mamy

Izaho ve no nikolo
Dia ny hafa no hanohy...
Tsy eken'ny saiko
Ny herim-po sy fotoana
Ho dia ho laniana foana
Tsy mino aho, tsy mino aho...

TSY MANAHY
NINONINONA ATAONAO AHY
FA BABONAO HATRAMIN'NY ATY FANAHY
IREO FIJALIANA, IREO FAHORIANA
HO ZAKAIKO HATRAMIN'IZAY
MIANGAVY AHO AZA MBA ARIANA
MITALAHO, IZAY IHANY DE IFALIANA...

Partager tsy mino

Commenter tsy mino

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lola

Suite