4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tompon-tsafidy - Lola

                     

Ny vavako vao miteny dia ny anaranao
Izaho mahatsiaro irery raha lavitra anao
Ny saiko tsy tana fa mitady
Ity foko tsy tony toa miangavy

Izay kely ananako omeko tsotr \'izao
Na ny aiko aza hafoiko raha mbola ianao
Hasambarana ho ahy ny mizara
Tena avy ato anaty ry malala

Ho sasa-poana izay mitady handrava
Ny antsika tsy ho foana
Mbola hitohy lalandava

Ref: Tsy azon \'iza fefena ny foko
          Ny mitia anao mbola zoko
          Sanatria raha vavan \'olona no hahakivy
          F\'izaho sy ianao no tompon-tsafidy
         

Ianao tokoa anie no fifaliana
Manafoana ny hakiviana
Tojo an \'ilay olon-tiana aho
Dia tsy iza f \'ianao izay nirina

Ireo Ray aman-dReny, fanaja izy ireny
Ny antsika koa tsy an-tery
Ilay fitia no mahery

Partager tompon-tsafidy

Commenter tompon-tsafidy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lola

Suite