4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Noely - Bessa

Noely Noely Noely

Noely Noely Noely



Noely Noely

Isa-taona dia injao

Noely Noely

Tsianjery no atao

Noely Noely

Tonta ve sa vaovao



Noely Noely

Efa mila tsy ho re

Noely Noely

Ilay teny tsotra hoe

Noely Noely

Fiadanana anie



Minia mikimpy avokoa

Izao tontolo izao

Ka ny noely zary

Andron’ny manan-katao

Odian-tsy hita ireo

mahantra marobe

Izany no noely ve?

Mamonjy tavanandro

Ireo mpiatsaravelatsihy

Ka mody avela kely aloha

Ny zera baomba ery

Fa rahampitso

Dia tohizana indray

Ny fomba ratsy hatrizay



Noely Noely

Ankehitriny fantatrao

Noely Noely

Izay tokony hatao

Noely Noely

Ho an’ny rahalahinao



Fa miofy akondro vava kosa

Ireo kamboty ray

Fadiranovana hatrany

Tsy misy mpandray

Ny maso foana no

Apitrapitrany eo

Toa miantsoantso hoe “vonjeo”



Lay famonjena nodradraina

Hatry ny ela be

Moa azonay mba hantenaina?

Rahoviana re?

Sa… ny Mpamonjy tsy mba tonga ho anay

Fa tsy mba ondriny izahay



(mmmm mmmm mm)



Noely Noely

Mba meteza ianao handre

Noely Noely

Ilay firariana hoe

Noely Noely

“FIADANANA ANIE”



Noely Noely Noely

Noely Noely Noely

Partager noely

Commenter noely

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Bessa

Suite