4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ity tany mamintsika ity - Bessa sy lola

Na lazaina hoe miadana aza
Na dradraina koa hoe sambatra aza
Na ambara fa milamina aza
Ity tany mamin-tsika ity.

Mbola misy fijaliana, aia! aia! aia!
Mbola misy fahantrana, aia! aia! aia!
Mbola misavorovoro, aia! aia! aia!
Ity tany mamintsika ity.

Ny mpitondra antsika olon-kendry,
Ny vahoaka koa olon-kendry
Raha izany re feno olon-kendry,
Ity tany mamin-tsika ity.

Mbola misy adala anefa, aia! aia! aia!
Mbola misy tsiampiampy, aia! aia! aia!
Mbola misy misy kely, aia! aia! aia!
Ity tany mamintsika ity.

Raha izao no mba hatao fitondra
Dia lalàna iray ihany monja
Voa marina hatrany no aoka hitondra
Ity tany mamin-tsika ity.

Aoka anefa tsy hiteny, aia! aia! aia!
Sao atao hoe rediredy, aia! aia! aia!
Mba tsy hilaozam-bedibedy, aia! aia! aia!
Ity tany mamintsika ity.

Partager ity tany mamintsika ity

Commenter ity tany mamintsika ity

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Bessa sy lola

Suite