4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Noël noël - Bessa

Noël, Noël !.... Isan-taona dia injao !

Noël, Noël !.... Tsianjery no atao

Noël, Noël !.... Tonta ve sa vaovao ?



Noël, Noël !.... Efa mila tsy ho re !

Noël, Noël !.... Ilay teny tsotra hoe :

Noël, Noël !.... Fiadanana anie !



Minia mikimpy avokoa izao tontolo izao

Ka ny Noely zary andron'ny manan-katao

Hodian-tsy hita ve ireo mahantra marobe ?

Izany no Noely ve ?



Mamonjy tavan'andro ny mpihatsaravelatsihy

Ka mody avela kely aloha ny zera baomba ary

Fa rahampitso dia tohizana indray e !



Noël, Noël !....



Misafo vava, konjo kosa ireo kamboty Ray

Fadiranovana hatrany, tsy misy mpandray

Ny maso foana no apitrapitrany eo e !

Toa miantsoantso hoe : "Vonjeo !"



'Lay Famonjena nodradraina hatry ny elabe

No azonay antenaina, rahoviana re ?

Sa ny Mpamonjy tsy mba tonga ho anay e !

Fa tsy mba ondriny izahay



Noël, Noël !.... Ankehitriny, fantatrao izay tokony hatao amin'ny rahalahinao

Noël, Noël !.... Mba meteza ianao handre !

Noël, Noël !.... Ilay teny tsotra hoe :

Noël, Noël !.... "Fiadanana anie !"

Partager noël noël

Commenter noël noël

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Bessa

Suite