4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mba te-hiantefa - Bessa

Mba te hiantefa ao am-ponao

’Zao vetsovetsom-poko rehetra izao

Mba te hikiky ’zay ratra tao

Ny fitiavako nandao anao



Tsaroako anefa, fa nofy izany

Fa fitiavana efa ritra na tsy nisy

Nianjonanao ’ty fo tomany

Masoandro vao nitranga teo dia dify.



Fanantenana am-pitsiriana

Ny haniriany aza tany maina

Ka ratra, eso tsy fohy ariana

Hamelana izy dia hotazako.



Mba te ho maina reo maso mando

Toloranao fitiavana indray

Mba te ho tony, eny isan’andro

Hianoka fitia mandrakizay.



Tsaroako anefa, ho mafy izany

Tsy ho ketraka aho

Fa hanantena anao hantrany ;

Izay milefa dia aleo ho any

Na sarotra aza manantena ihany

Partager mba te-hiantefa

Commenter mba te-hiantefa

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Bessa

Suite