4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mba hiantefa - Bessa



Mba te hiantefa ao amponao

Zao vetsovetsompoko rehetra izao

Mba te hikiky zay ratra tao

Ny fitiavako nandao anao



Tsaroako  anefa fa nofy ihany

Fa fitiavana efa ritra na tsy nisy

Nianjonanao ‘ty fo tomany

Masoandro vao nitranga teo dia dify



Fanantenana am-pitsiriana

Ny haniriany aza tany maina

Taratra eso tsy foy ariana

Hamelana izy hiotazako



Mba te ho maina ireo maso mando

Toloranao fitiavana indray

Mba te ho tony eny isan’andro

Hianoka fitia mandrakizay



Tsaroako anefa fa mafy izany

Tsy ho ketraka aho fa hanantena anao hatrany

Izay milefa dia aleo ho any

Na sarotra aza manantena ihany




Partager mba hiantefa

Commenter mba hiantefa

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Bessa

Suite