4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hisaoranay - Bessa

Izay hinoako ho fahasoavana

Nokatsahiko hatrizay

Ny fahasambarana notadiaviko

Ny bitsiky ny foko ao

Ny tsiky iainan’ny fisiako

Ny hehy irian’ny fifaliako

Nomenao ahy daholo izany

Tamin’ny androm-pahoriako.



Fiv :

Hisaoranay ianao

Andriamanitra Tsitoha

Ny fanahinay izao

Injao miainga, tafafoha

Ny talenta avy Aminao

Mipololotra tsisy fetra

Hisaoranay ny Anaranao

Amin’ny andronay rehetra.



Misy namana nitsabo

Nositraninao fony narary

Nampiononinao teny am-pamohizana

Sy tamin’ny ora nampijaly

Nomenao saina mahay mitraka

Tamin’ny fotoan’ady

Ny fitiavanao nandresy

Tsy mba folaka angady.



Voa tsinampy kely ihany

Ny finoana izay ananako

Nefa dia ho ezahiko mba hitombo

Izany ary ho tanako

Izaho izay, ilay manantena

Omenao valiny tokoa

Amin’izay fiainako ho avy

Matoky Anao aho ao am-po.

Partager hisaoranay

Commenter hisaoranay

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Bessa

Suite