4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Zaza tonga taona - Lolo sy ny tariny

Tsaroany toa mangina
Ny hefi-trano
Lasa ny vorona tina
Lasa nihita rano


    Zanaka nizakany mangidy
    Sady tsy foiny tokoa
    Nefa navela nifidy
    Fa hitady ny soa


Ny sary sisa no manoloana
Saingy tsy miteny
Fa sary mando fa sary lena
Ranomason-dreny


    Reny sendra zanaka
    Tonga taona tampoka
    Any fihononany (naha lehibe)2


Ny zava-piainany sisa
No manodidina eto
Fahatsiarovana toa mila kisa
Tonga tsy mihato


    Io any izy mitazana foana
    Mihaino voro-mikalo
    Masony no manganohano
    Manontany mpandalo


Moa va tamana ny zanako izay?
Izaho tsy mino
F'izy tsy mba nahafoy hatrizay
Tonga hanadino


    Reny sendra zanaka
    Tonga taona tampoka
    Zary nanenenany (naha lehibe)2

Partager zaza tonga taona

Commenter zaza tonga taona

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lolo sy ny tariny

Suite