4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Bandy sy role - Lolo sy ny tariny

Fa tsaroako ireo lalao
Tany anaty lobo²
Tapakazo no mba basy t@ zany
Ialahy ilay rôle nanenjika, nandresy
Izaho ilay bandy maty, resy hatrany

Akandasitra lety no nifanekena fa nahoana ny an’ialahy no tena izy
Ireo kanety nobakoiko ny maraina
Lasana any tapitra, tsy nisy

Angamba², angamba maty lolo
Matoa mbola niaritra an’izany
Ialahy ilay hazo tsara kolo²
Etsy   akaiky aho bozaka mandady

Raha vao lasa i Baomijijy ka mitondra zinga kely
Ka mivadika atsy ambadiky ny trano
Ialahy natao tsangory, ka afaka nijery

Izaho avy ato ambany maminany!
Angamba², angamba maty lolo
Matoa mbola niaritra an’izany
Ialahy ilay hazo tsara kolo²
Etsy   akaiky aho bozaka mandady

Halabotry sy ny ditra
Ary niampy vanga-bao
Zany letsy no niarahana natao
Nahoana ialahy no tsy voakasikasika
Zaho kanefa feno tako-pery

Toy ny aponga tsara rindra niaraka nidobodoboka ny fontsika t@ Baomijijy
Ny azy ny safidy efa vita hatrany am-piandohana
Izaho voahozona hitan-jiro

Ny valalantsika koa, tsy mba hoe nifanapahana fa lasan’ialahy manontolo
Aleo ary aho hametraka veloma
Any ankoatra indray angamba mihaona

Mazava² ny làlana hodiaviko
Tsy misy tsindry aloka intsony
Mazava² ny làlana hodiaviko
Tarafin’ny masoandro avy any ambony...

Fa tsaroako ireo lalao
Tany anaty lobo²
Tapakazo no mba basy t@ zany
Ialahy ilay rôle nanenjika, nandresy
Izaho ilay bandy maty, resy hatrany

Partager bandy sy role

Commenter bandy sy role

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lolo sy ny tariny

Suite