4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Androy - Lolo sy ny tariny

Nisy mpanjaka an-tanàna Atandroy e
Niteraka zaza kambana 2
Ny renin-jaza efa maty nafoy
Nandao ny tany mialoha
Ny dadabe, dadaben’ny tanàna
Mpanolo-tsain’ilay mpanjakabe
No niandraikitra ny fitaizana
Nanao izay naha-lehibe
Nampianariny nangalatr’omby e
Raha tsy izany tsy zanak’androy
Nampianariny nampiasa ody e
Raha tsy izany tsy zanak’androy

Taranaka tena Zafimanara anie izy e
Taranaka tena manana tantara anie izy e!
Taranaka tena Zafimanara anie izy e
Taranaka tena manana tantara anie izy e!

Tonga irony vahiny tan-dafy
Nitondra fomba fitaiza hafa koa
Fomba fisaina sy fomba fitafy
Tena nanova ny loha

Nisy ny hendry tsy mba nino lainga
Ka nankasitraka an’i Dadabe
Ny iray kosa dia lasa nanainga
Nentin’ireo vazaha be

nampianariny ny fomba ratsy e
Hamonona ny zanak’androy
Nampianariny nampiasa basy e
hiazàna ny zanak’androy

tsy isan’ny tena zafimanara anie izy e
ilay ndaty ts mety mino ny tantara anie izy e
tsy isan’ny tena zafimanara anie izy e
ilay ndaty ts mety mino ny tantara anie izy e


Tonga ny andro fangataham-bady
Araka ny fombafomban’ny tany
Lasa ny hendry nizaha omby tany
Hatao takalom-bady

Indrisy fa sendra ny andia-miaramila
Tao ilay ndaty kambana aminy
Nifampijery, nifampihila
Nitraka ny basiny

Dia nasiany ny mpangalatr’omby e
Basilava sy ny basifohy
Dia namaly ny mpangalatr’omby e
T@ pliotra sy lefom-pohy

Taranaka tena zafimanara anie izy e
Taranaka maty teo am-piadiana anie izy e
Taranaka tena zafimanara anie izy e
Taranaka maty teo am-piadiana anie izy e

Nisy mpanjaka an-tanàna Atandroy e
Nisaona ny zaza kambany 2
Maty ny zanany, maty nafoy e
Niady ka dia samy voa, …fa:

Tsy hitomany tsy hikiaka izy e
Raha tsy izany tsy zanak’androy
Tsy hitomany tsy hikiana izy e
Raha tsy izany tsy zanak’androy…

Partager androy

Commenter androy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lolo sy ny tariny

Suite