4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Aza tsahoan'ialahy - Lolo sy ny tariny

AZA TSAHOAN’ILAHY

Aza tsahoan’ialahy lesy aho ry lery
Haiko tsara izany kozy izany
Efa olona maro be lesy ry lery
No efa nampanatena izany
Efa im-piripiry moa
Tamin’iny volana iny
Izaho no mitalaho fa iny tsy mba manan’tsiny
Fa ny lanitra aza nanadino ahy a

Aza tsahoan’ialahy lesy aho ry lery
Haiko tsara izany kozy izany
Fandriana tsy anananay lesy ry lery
Tsy ialahy no hampahalala izany
Tsy ianareo ihany no mpiresaka izany
Fa ny fandriana   ihany no itovizana eto an’tany
Fandriana aza nanadino ahy a


Aza tsahoan’ialahy lesy aho ry lery
Haiko tsara izany kozy izany
Tsy ho hitako eto an-tany mihitsy lesy ry lery
Raha izany fitovina izany
Tsy mambrin'ny fokotany ahy
Tsy isam-pokonolona
Tsy mifidifidy izany aho
Ka biby sa olona
Fokonolona aza nanadino ahy a

Aza tsahoan’ilay lesy aho ry lery
Haiko tsara izany kozy izany
Tsy olona adala lesy aho ry lery
Tsy hahalala setroka sy tomany a
Tsy haiko indray ny any an-danitra any a

Partager aza tsahoan'ialahy

Commenter aza tsahoan'ialahy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lolo sy ny tariny

Suite