4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Bandy sy rola - Lolo sy ny tariny

Fa tsaroako ireo lalao tany anaty lobolobo
Tapa-kazo no mba basy tamin’izany
Ialahy ilay rola manenjika mandresy
‘zaho ilay bandy maty resy hatrany

Ankandasitra leiry no nifanekena
Fa nahoana ny an’ialahy no tena izy
Ireo kanety nobakoiko ny maraina
Lasana ary tapitra tsy nisy

(Fiverenana)
Angamba (3) maty lolo
Matoa mbola niaritra amin’izany
F’ialahy ilay hazo tsara kolokolo
Etsy akaiky aho bozaka mandady

Hala-botry sy ny ditra ary miampy vangabao
Izany letsy no niarahana natao
Nahoana ialahy, no tsy voakasikasika
Izao kanefa feno takipery

Raha vao lasa i Bao mijijy
Ka mitondra zinga kely
Ka mivadika atsy ambadiky ny trano
Ialahy natao an-tsangory
Ka afaka mijery
Izaho avy ato ambany maminany

Toa ny amponga tsara rindra
Miaraka midobodoboka
Ny fo-ntsika tamin’ny Bao mijijy
Ny azy ny safidy
Vita hatrany am-piandohana
Izaho voahozona hitan-jiro

Ny valala-ntsika toa, tsy mba hoe nifanampahana
Fa lasan’ialahy manontolo
Alao ary aho, hametraka veloma
Any ankoatra indray angamba mihaona

Mazava (2) ny lalana ho diaviko
Tsy misy tsindry aloka intsony
Mazava (2), ny lalana ho diaviko
Tarafin’ny masoandro avy any ambony...

Partager bandy sy rola

Commenter bandy sy rola

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lolo sy ny tariny

Suite