4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ankajo fotsy - Lolo sy ny tariny

Ilay ankajo fotsy
Tsy nanaovanao
Raha tsy andro alahady

Iny indray izao no
Nampitafiana anao
Sanatria toa hanambady

Kanefa anie
Nitoetra anaty rahona any a
Izaho re
Tavela irery eto an tany
Mitomany malahelo
Migoka ranomaso
o!o!o!o

Voninkazo kely
Eo an-tratranao
Raozy kely sarobidy
Toa any....
Saika nomeko anao
Raha toa isika roa mivady

Indrisy re
Fa ny alahelo anao sisa
Ho tonga eo
Hameno ora maro isa
Mandra-pahatongako
Eny ankaikinao
o!o!o!o

Volana tantely
Rakotra hafanana
No mba hany anjaranao
Ny fitiavatsika
Tsy nisy nahalala
Vao mba tonga dia nandao

Oviana moa
Ianao mihazakazaka
Raha vao nahita avy any lavitra any
Oviana koa
Ianao niteny moramora ahy
Handao isika hivady
Nataoko ho vazivazy
o!o!o!o

Indro ianao matory
Mandry fahizay
Tsy mihaino ahy intsony
Voninkazo kely
Saika mba haniry
Kanjo tonga ny havandra a

Partager ankajo fotsy

Commenter ankajo fotsy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lolo sy ny tariny

Suite