4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Aminy anaran'ny tolona - Lolo sy ny tariny

Aminy anaran'ny tolona
Izay natao ho rahalahy
Isika norahonan'olona
Niafina sy niahiahy
Nihitsoka tanaty kizo
Petsapetsa nihosin-drà
Amin'ny anaran'ny tolona
Meteza aloha ihaino ahy

    Isika izany toa varina
    Tsy mahita akaiky intsony
    Ireo kaozy toa narina
    Zary lasa honohono
    Koto sy ry Kala mantsy
    Tsy mba nanantena izany
    Nampiadina ka voafantsy
    Miodikodina amin'ny tany

Aminy anaran'ny tolona
Izay nataotsika leiroa
Sy ireo namatsika maty tsy nivaky loha
Aminy anaran'ny Gadra
Izay nangeja antsika taloha
Sokafy kely ny sofina
Meteza hihaino ahy aloha

    Lany lainga isika izao
    Tsy mahita hambara intsony
    Revirevy mangatsika bobo-toaka sy rongony
    I Koto sy ry Kala mantsy
    Tsy mba nanantena izany
    Izy ireo no manefa izany revin-tsika izany.

Ialao ilay fikabe andosiro leiroa
Aminy anaran'ny tolona izay natao taloha

    Aminy anaran'ny tolona
    Izay natao ho kamarady
    Be ireo namantsika no kepoka sy mafiady
    Aminy anaran'ny olona
    Navarin-tsika tany ankady
    Atsaharo kely aloha ny kabary ambony vavahady

Lany bala tsy mandeha
Efa hitantsika izao
Ry zareo mihomehy ny hafa mbola mitalaho
Koto sy ry Kala anefa
Tsy mba nanantena izany
Izy ireo no manefa
Voahitsaka natao kaly

    Ialao ilay fikabe andosiro fa tsy miady
    Aminy anaran'ny tolona
    Izay natao ho kamarady
    Ialao ilay fikabe andosiro fa tsy miady
    Aminy anaran'ny olona
    Navarintsika tany ankady


   

Partager aminy anaran'ny tolona

Commenter aminy anaran'ny tolona

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lolo sy ny tariny

Suite