4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Bilakarenjy - Lolo sy ny tariny

Sangy mahery fanaon'ny ankizy
No nampikotringa an'i Bilakarenjy
Saingy tanàna tsy misy mpitsabo
Ny tanàna kelin'i Bilakarenjy
Ratra mandalo @ manakatao
Nanjary takaitran'i Bilakarenjy

   Fa tanim-bary tsy mahavita taona
   No anjara lovan'i Bilakarenjy
   Karama asa tany nanilika trosa
   No nandany ny andron'i Bilakarenjy
   Tsapany ary tsinjony tsara
   Fa ny hiafarany dia kizofara

(Nifamaly mafy)2 i Ratrema sy i Bila
Indray fararano teo ampamoloana
Teo mantsy i Bila tsy nanaiky intsony
Ny hifamerin-doha izay vola vita
Nitraotra i Bila kanefa izy irery
Ny namany teo tia hanampy azy
Kanefa tsy sahy,dia lasa i Bila
Nandao ny tanàna,
Nisavika niala any Antananarivo

Indroa:

O! Bila o!Bila!Bilakarenjy
Mitsakaraka mivenjivenjy
Kotsa ny lamba eny ankodiny
Mitsakaraka keta sy kodiny
Mandeha sady mivazavaza
Sao alehany sary sy zaza a! a!

Partager bilakarenjy

Commenter bilakarenjy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lolo sy ny tariny

Suite