4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Atolotro anao - Lolo sy ny tariny

1.
Atolotro anao ity hirako ity
R’ilay tambanivohi-dahy
Hany nanome ahy fotsim-bary
Fony aho maty mosary

Atolotro anao ity hirako ity
R’ilay tambanivohi-dahy
Hany nanome, hany mba nitsetra
Fony aho nangetaheta

Rano kely ihany, nefa tao am-po
Toy ny afon-dasy ngezabe

Raha hoavy ny andro iray ka hahalasana anao
R’ilay tambanivohi-dahy
I Jehovah Tompo anie mba hitahy
Ho aminao mandrakizay

Ny hafa anie ka dia nanda f’izao lay boton’jiolahy
Ny hafa anie ka dia nihomehy f’izao lay boton’jiolahy

2.
Atolotro anao ity hirako ity
R’ilay zavavy namako any
Hany mba nandray nandray ny tanako
Fony aho nikodia

Atolotro anao ity hirako ity
R’ilay zavavy namako any
Hany mba nandray, nandray nanambitamby
Fony aho nialozam-bady

Teny kely ihany, nefa tao am-po
Toy ny afon-dasy ngezabe

Raha hoavy ny andro iray ka hahalasana anao
R’ilay zavavy namako any
I Jehovah Tompo anie mba hitahy
Ho aminao mandrakizay

Ny hafa anie ka dia nanda f’izao lay boton’jiolahy
Ny hafa anie ka dia nihomehy f’izao lay boton’jiolahy

3.
Fa hono hoa zareo tsara fivelomana
Niady anie aho mba manontany
Moa va ianareo tsy mba mino akory
Fa misy masoandron’ory

Fa hono hoa zareo tsara fivelomana
Niady anie aho mba manontany
Moa va ianareo tsy mba mino akory
Fa misy masoandron’ory

Zaho anie tsy hitana am-po
Fa hivavaka ho anareo

Raha hoavy ny andro iray ka hahalasana anao
Ratsara fivelomana
I Jehovah Tompo anie mba hitahy
Ho aminao mandrakizay

Partager atolotro anao

Commenter atolotro anao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lolo sy ny tariny

Suite