4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Zatra misy anao - PRINCIO

Zatra misy anao



Very aho, tena very  fa aza avelanao irery

F’efa zatra misy anao, misy anao

Fay fay tena fay, mavaivay sy mikolay

Fa tsy mahafoy anao

F’efa zatra misy anao

K’aza dia ilaozanao

Efa hendry ianao sa mbola maditra

Raha tsy izany tsy miresaka isika

Efa fombanao ny mipitrapitra

Fa ny ditranao tsy mety ritra

Fa ny ditranao tsy mety ritra



Kay kay maty aho fa vonjeo, mba jereo fa mitoreo

Ka henoy izany feo,izany feo

Mikonainaina mitaraindraina, te hiverina hiaina

Sy hitoetra eo aminao

F’efa zatra misy anao

K’aza dia ilaozanao

Ianao anie mbola tiako hatrany

Fa ny toetranao no mampitomany

Na izany aza dia hatoky aho

Fa hiova ianao tsy haditra intsony

Ka ho hendry ianao tsy haditra intsony



Hadinoy ny ho avy

Ny ho avy indray no hobanjinina

Ka tsy atao hampijaly

Izay tsaraihany no fihinina

     Ireo ditrako taloha eh !

     Ireny indray tsy mahatalanjona ahy

     Tsy atao hankarary fo

     Fiarahana vaovao no tanjona



Oula…



Hadinoy ny ho avy

Ny ho avy indray no hobanjinina

Ka tsy atao hampijaly

Izay tsaraihany no fihinina

     Ireo ditranao taloha ouh !

     Ireny indray tsy mahatalanjona ahy

     Tsy atao hankarary fo

     Fiarahana vaovao no tanjona



Oula…



Ireo fitaka rehetra izay nataoko hatrizay

Dia ovaiko zavatra hafa izay mba tena milay

Mampanantena anao aho mba hiezaka mafy

Tsy higafy, tsy hampirafy tsy higafigafy

Tsy hisarisary adala intsony aho mandrakizay

Fa efa vonona hisedra fiainana hafa indray

Efa fay, mavaivay, mikolay ka ho endry amin’izay



Hadinoy ny ho avy

Ny ho avy indray no hobanjinina

Ka tsy atao hampijaly

Izay tsaraihany no fihinina

     Ireo ditranao taloha ouh !

     Ireny indray tsy mahatalanjona ahy

     Tsy atao hankarary fo

     Fiarahana vaovao no tanjona



                                                      Princio

Partager zatra misy anao

Commenter zatra misy anao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe PRINCIO

Suite