4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Vehivavy bangaridana - PRINCIO

(Na na na na na na na na na...)

Amin'ny fomba ahoana moa ry sipa no ahalalako fa ianao io Banga

Efa elaela aty aoriana aho zay vao kaopy ka talanjona sy gaga

Mody tsy miteny mody menatra eny ianao mody mitapifipify

Tsy mikozikozy mody fanina manafina fa hoe tsisy nify

Kanjo vao nahitanao nanoako be aho saiky lasa adala sy niridana

Voafitapitakao aho voatsipatsipakao aho fa ianao vehivavy bangaridana



(Na na na na na na na na na...)

Amin'ny fomba ahoana moa ry sipa no ahalalako fa ianao tsisy nify

Hitako isan'andro ianao tsy mety miramirana tsy tia mitsikitsiky

Mody miondrikondrika indrindra rehefa atoandro tsy mba tia mitrakatraka

Rehefa maizimaizin'iny vao manararaotra mihomehy mikakakaka

Saingy indrisy mantsy fa hatrizay aho tena babo  taratara vizambizana

Tsy noteneninao eh; nafenipeninao eh; fa ianao... vehivavy bangaridana



Sipa manjabe manjabe manjabe io eh(Mba hoe mba vizambizana eh)

Nefa banga be banga be banga be io eh(Kay Vehivavy bangaridana)

Sipa manjabe manjabe manjabe io ah(Mba hoe mba vizambizana eh)

Nefa banga be banga be banga be io ah(Hay va re ka bangaridana)



Nahitako anao voalohany teny Ambatonakanga

Nanao ankajo kely manifinify mangamanga

Mandokondoko volo sady lavalava sanga

Ny orona tsy petaka ny sofina tsy ranga

Saingy indrisy mantsy fa ilay nify indray no banga

Ka basy atifi-kavana tsy maintsy arangaranga

N'inona n'inona midona n'inona n'inona mitranga

Ny endrika sy bika tsy azo atao kinangananga



Amin'ny fomba ahoana moa ry sipa no ahalalako fa ianao io Banga

Efa ela be aty aoriana aho zay vao kaopy fa dia pahana sy jamba

Mody tsy mikozy mody menatra eny ianao tsy mba tia misoka-bava

Mody motomototra tsy fantatra hoe ahoana fa mangina lalandava

Kanjo vao nahitanao tsy dia mahina-kena saiky torana sy vizana

Fa tena nivembena; tsy dia malaitra hena; fa tena... vehivavy bangaridana

(Na na na na na na na na na...)



Sipa manjabe manjabe manjabe io eh(Mba hoe mba vizambizana eh)

Nefa banga be banga be banga be io eh(Hay va re ka bangaridana)

Sipa manjabe manjabe manjabe io ah(Mba hoe mba vizambizana eh)

Nefa banga be banga be banga be io ah(Hay va re ka bangaridana oa)



Sipa manjabe manjabe manjabe io eh(Ka miangavy mafy anao ny artiste)

Nefa banga be banga be banga be io eh(Dia mandana manatona dentiste)

Sipa manjabe manjabe manjabe io ah(Fa aza ilazaonao mitapifipify)

Nefa banga be banga be banga be io ah(Dia mandana mba manao solonify eh)



Sipa manjabe manjabe manjabe io eh(Mba miangavy mafy anao ny artiste)

Nefa banga be banga be banga be io eh(Dia mandana manatona dentiste)

Sipa manjabe manjabe manjabe io ah(Fa aza mbola ilazaonao miinsiste eo)

Nefa banga be banga be banga be io ah(fa mandana manantona dentiste)

Manantona dentiste manantona dentiste manantona fa oy(na na na na na...)

Manantona dentiste manantona dentiste manantona dentiste ianao eh(na na na na na...)

Manantona fa oay eh(na na na na na...)

Partager vehivavy bangaridana

Commenter vehivavy bangaridana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe PRINCIO

Suite