4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fanja - PRINCIO

Izaho anie dada sy nenin'i Fanja

Sanatria raha mba hanitsakitsaka zanakareo o

Izaho anie dada sy nenin'i Fanja

Sanatria raha mba hamitapitaka an-janakareo o

Ity vinantonareo ity ry dada sy maman'i Fanja

Sanatria raha mba hanavakavaka an-janakareo o

Ity vinantonareo ity ry dada sy maman'i Fanja

Sanatria raha mba handatsaka an-davaka an-janakareo o



Aza misy manahy ianareo mianakavy

Tsy fombanay mampijaly vehivavy

Tsy mahavita an'izany aho sanatria

Fa bandy milamina tsara ny aty



Ilay bandy anie dadabe sy bebe an'i Fanja

Sanatria raha mba hanary an'ity zafikelinareo o

Ilay bandy anie ikaky sy nenin'i Fanja

Sanatria raha hankarary an'ity zafikelinareo o

Ity zaodahinareo ity zoky sy zandrin'i Fanja

Sanatria raha mba hanimbazimba an'i bavinareo

Ity valinareo ity zoky sy zandrin'i Fanja

Sanatria raha mba hitetika hanimba an'i bavinareo



Aza misy manahy ianareo mianakavy

Tsy fombanay mampijaly vehivavy

Tsy mahavita an'izany aho sanatria

Fa bandy milamina tsara ny aty

K'aza misy manahy ianareo mianakavy

Tsy fombanay mampijaly vehivavy

Tsy mahavita an'izany aho marina mafy

Fa bandy milamina tsara ny aty



K'aza misy manahy ianareo mianakavy

Tsy fombanay mampijaly vehivavy

Tsy mahavita an'izany aho marina mafy

Fa bandy milamina tsara ny aty



Fa hovadiako i Fanja

Tsy hampijalijaliako i Fanja

Tsy hampitomaniako i Fanja

Fa horeveko manja

Tsy hoviraviraiko i Fanja

Tsy hotsiratsiraiko i Fanja

Tsy hampifilafilaiko i Fanja

Fa hanamboarako zaza



Tsy hovetavetaiko hosimbasimbaiko hoviraviraiko i Fanja

Fa horeveko manja

Hokarakaraiko holalalalaiko sady hohajaijaiko

fa hifalihavanja



Tsy hovonovonoiko holakolakoiko fa hoboroboroiko

Mba ho manan-danja

Tsy ho ampitomaniako hampijalijaliako fa dia ho asiasiako

Fanajana



Aza misy manahy ianareo mianakavy

Tsy hampitomaniako hampijalijaliako

Tsy fombanay mampijaly vehivavy

Fa hovadiako dia hasiako fanajana

Tsy mahavita an'izany aho marina mafy

Fa bandy milamina tsara ny aty

Fa hovadiako dia hasiako fanajana



Hasiako fanajana

Izay ny ela ry izy mianakavy fa fa hoentiko mody e hoentiko mody izy e



Aza misy manahy ianareo mianakavy

Tsy hampitomaniako hampijalijaliako

Fa hoentiko mody hoentiko mody izy e

Hoentiko mody hoentiko mody izy e

Partager fanja

Commenter fanja

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe PRINCIO

Suite