4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy andavako anao - PRINCIO

Raiki-tapisaka mipetapetaka anaty kidoroko

ilay fofonao izay manimanitra e

tsofon’ny rivotra mankaty anaty oroko

mamerovero mahafinaritra e

Hany ka tsy afaka an-dohako latsaka ho nofinofiko

Ilay endrikao maranindranitra e

Na maizi-kitroka, na feno setroka ny tontoloko

Vao lalovanao dia salanitra e



Ilay fombanao miantsampitsampy eo an-tsoroko

rehefa tonga andro sarotra e

Ilay feonao mibitsibitsika eo an-tsofiko

rehefa mila tsy haharitra

Ireo tananao mamihina ny lamosiko

indraindray toa mandrangotra e

ilay fihetsikao mandindihy eo amboniko

tsy mahare izay tany aman-danitra e.

izany rehetra izany (no ahatsiarovako anao)

ireny rehetra ireny (no tsy ahafoizako anao)

zay rehetra izay e (no hitiavako anao)

ireo rehetra ireo (no tsy andavako anao)



Matetitetika ianao, tampotampoka vao revireviko

mandalo ato amiko hitafa e

hanatanteraka ny kalokaloko sy revireviko

ilay nofy hafahafa e

fa toa tsy zakan’ny saiko, mipetraka ho redirediko

ny hahita anao any an-kafa e

na dia mibanaka be sady bobaka ny tebitebiko

vao lalovanao dia voafafa e



Izany rehetra zany e....

Partager tsy andavako anao

Commenter tsy andavako anao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe PRINCIO

Suite