4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tia vehivavy - PRINCIO

Tena tiako 'nareo ry vehivavin'i 'Tananarivo

Jejojejo mianjaika mijajika tsara e!

Ilay sokadrinareo mihotsakontsana mandrivorivo

Izay mahita anareo avy hatrany dia tara e!!



Tena tiako 'nareo ry vehivavin' i Mahajanga

Fitombenanareo ka-raha gitara e!

Izay lalovanareo dia miridana manary lamba

Dia variana ny mijery anareo ao afara e!



Tena tiako 'nareo ry vehiveavin'i Tamatave

Nofi-tratranareo mampiteny ny moana e!

Izay lalovanareo avy hatrany dia vita matavy

Verivery fanahy manaonao foana e!



Tena tiako 'nareo ry vehivavin'i Diégo

Midofidofitra be tsaratsara motera e!

Izay lalovanareo avy hatrany dia K.O

Ka raha biscuit voahitsaka Bulldozer e!



Tena tiako 'nareo ry vehivavin'i Fianarantsoa

Sady mahafatifaty no mahavelombelona e!

Izay mahita anareo dia mandraingy marary avokoa

Tsy mahavita mitsangana sady domelina e!



Tena tiako 'nareo ry vehivavin'i Toliara (Toliara!)

Tena bikabikaina mampi-te-hanaikitra e!

Manan'endrika manja sady be Mosta tsara! (Mosta!!)

Izay lalovanareo avy hatrany dia raikitra e!



ref:Tena tiako daholo ianareo mianakavy

     Tsy an-kanavaka avy aiza sy avy aiza fa rehefa vehivavy e!!

     Tsy jerem-bolon-koditra fa rehefa gasy

     Tena manja daholo fa tsy misy ratsy e!



     Dia misaotra anareo Ray aman-dReny

     Izay nahay nanamboatra nahavita vehivvy ohatr'ireny e!!

     Fa dia mety hahatsiravina ny ety an-tany

     Raha tsy nisy vehivavy fa lehilahy ihany e!



     Tena tiako daholo ianareo mianakavy

     Tsy an-kanavaka avy aiza sy avy aiza fa rehefa vehivavy e!!

     Tsy jerem-bolon-koditra fa rehefa gasy

     Tena manja daholo fa tsy misy ratsy e!



     Mankasitraka  anao Ray ambony

     Izay nahay nanamboatra nahavita vehivvy ohatr'itony e!!

     Fa satria ny tombontsoan'ilay Gasikara

     Dia malaza fa manana vehivavy tsara e!

     Fa dia mety hahatsiravina ny ety an-tany

     Raha tsy nisy vehivavy fa lehilahy ihany e!



Tena tiako daholo ianareo ry vehivavy e!






Partager tia vehivavy

Commenter tia vehivavy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe PRINCIO

Suite