4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Bandy m'pince - PRINCIO

Ekena fa dia ratsy ny py ary tsy mba mahasoa

Fa mankarary vavony izy ity sady mankarary an-doha

Dia mankarary ny hatoka a

Sy tena mampa-kafoka

mba te hijanona ihany aho nefa dia aoka kely aloha

Satria tsy milamina raha ajanona

Tena sanina fa manjary tsy misy ambiance e

Mialà tsiny amin'ny be sy ny maro fa tena tsy poince

fa le bandy tsy maintsy m'pince a



Efa io py io ihany anie no nahafaty an'i Dadatoa

Mbola io py io ihany anie no nampahalazo an'i Koto beloha

Sady mampiady mivady e, no mampivarina an-kady e

Ka tokony ajanona ihany izy io nefa aoka kely aloha

Satria toa tsy vita na mozika na ny sipa

fa mikatso amin'ny tena m'coince e

azafady amin'ny be sy ny maro fa tena tsy poince

fa le bandy tsy maintsy m'pince a



Fa tsy misy maharatsy an'io anie raha revena am-panajana

Fa sady mampisy ambiance io ho'a no mitondra hafanana

Azafady amin'ny vokovoko manga fa tsy tena tsy poince

fa le bandy tsy maintsy m'pince a

... ... ...

Na mamonjy mariazy ianao na manatrika fety be

Na eny amin'ny cabaret ianao na mandeha karaoke

Na mankany amin'ny boaty e, na mandeha miandry faty e

Tsy maintsy m'pince kely aloha raha tsy izany ka raha tsy ok

Dia efa izay ho'a ny fika, tecknika, magnifika:

Izay mampiakatra ny ambiance e (hay ambiance an)

Amin'izay rehefa miakatra tsara ny dôzin'ny pince

D'efa raikitra hatramin'ny dance

Mamely an'io daholo anie ho'a ny mpokona eto amin'ny tànana

hatramin'ny 4-mi ka hatramin'ny mpitondra fanjakana

Fa tsy misy maharatsy an'io anie raha revena am-panajana

Fa sady mampisy ambiance io ho 'a no mitondra hafanana

Azafady aminao pasitera fa tsy tena tsy poince

fa le bandy tsy maintsy m'pince a

... ... ...



Rehefa tsapa fa miakatra loatra ny dôzy dia ndao ho'a zory ny lalana mody e

Zory ny lalana mody e, zory ny lalana mody e

Efa manomboka manaintaina fa te hi-degôba no sady marary vavony e

Sady marary vavony e, sady marary vavony e

Dia tsy velona rehefa maraina, fa toa savolaina fa tratran'ny aza manody e

Tratran'ny aza manody e, tratran'ny aza manody e

Fa makafoka mivembena kanefa indrisy fa tsisy azo hatao fanafody e

Tsisy azo hatao fanafody e (hay hay ho'a), tsisy azo hatao fanafody e

zory ny lalana mody e, zory ny lalana mody e

Sady marary vavony e, sady marary vavony e

Tratran'ny aza manody e, tratran'ny aza manody e

Tsisy azo hatao fanafody e, tsisy azo hatao fanafody e



Zory ny lalana mody e, zory ny lalana mody e,

Zory ny lalana mody e



Ekena fa dia ratsy ny py ary tsy mba mahasoa

Fa mankarary vavony izy ity no sady mankarary an-doha

Dia mankarary ny hatoka a

Sy tena mampa-kafoka

mba te hijanona ihany aho nefa dia aoka kely aloha

Satria tsy milamina raha ajanona

Tena sanina fa manjary tsy misy ambiance e (hay, ambiance an)

Mialà tsiny amin'ny be sy ny maro fa tena tsy poince

fa le kôfa tsy maintsy m'pince a

Partager bandy m'pince

Commenter bandy m'pince

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe PRINCIO

Suite