4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Infirmiera - PRINCIO

Infirmiera





Ieh iah !…oh ! !



Misy infirmiera anankiray

Izay ao amin’ny Girard&Robic eh !

’Zay tena tsara tarehy

Tena tsara fanahy tsara bika eh

Sendra narary aho indray andro izay

Sendra izy no nitsabo ahy

dia vetivety teo izahay dia nanjary nifandray



Nanomboka teo dia mankeny foana aho

Mandanindany lera

Mankeny amin’ny hopitaly militera

Hijery an’i infirmiera

Dia mody marary aho mamorona fika

Ho eny amin’ny Girard&Robic

Fa te-hanafika an’ilay infirmiera tsara bika



Infirmiera oh !

Zarako aza ho tojon’aretina ho’aho

Fa te’hahita an’ilay endrikao

Izay madio ts’isy pentina ho’aho

Infirmiera oh !

Zarako aza ho marary lava

Dia hitoetra tsy hiala

akaikaikinao lalandava ho’aho

Satriko foana ho marary,

Hijalijaly dia hiditra hopitaly

Fa eo akaikinao eo aho

Tsy maintsy falifaly

Satriko foana ho malazolazo

Miditra hopitaly ho voan’ny tazo

Amin’izay ny adidinao vita

Ny fahafinaretako azo



Ieh iah !…oh ! !



Isan’andro isan’andro aho

Mankeny ampefitety , na 67

Mandray 107, na 147, ho any besarety

Manao manimanitra aho

Manao metimety

Ohatran’ny hoe hanatrika fety

Fa handeha hanafika an’ilay infirmiera kely vetivety



Isak’asabotsy aho

Tsy mivoaka boity na mandeha miballa

Fa mandeha mamonjy an’ilay mahafatifaty

Garda amin’ny alina

Ny androm-piainako iray manontolo

Efa natokako ho azy daholo

Efa natokako efa natokako ho azy daholo



Izao tontolo izao

Feno fahoriana feno disadisa

Fa eny amin’ny hopitaly Soavinandrina no paradisa

Misy infirmierako anankiray

Infirmiera tena milay

Ilay hitsabotsabo ahy

Sy hotsaboiko mandrakizay



Infirmiera oh !

Zarako aza ho tojon’aretina ho’aho

Dia mahita an’ilay endrikao

Izay madio tsisy pentina ho’aho

Infirmiera oh !

Zarako aza ho marary lava

Dia hitoetra tsy hiala

akaikaikinao lalandava ho’aho

Satriko foana ho marary,

Mijalijaly dia hiditra hopitaly

Dia eo akaikinao eo aho

Tsy maintsy falifaly

Satriko foana ho malazolazo

Miditra hopitaly ho voan’ny tazo

Amin’izay ny adidinao vita

Ny fahafinaretako azo



Amin’izay ny adidinao vita

Ny fahafinaretako azo

Amin’izay ny adidinao vita

Ny fatin’aretina tsy azo

Non non ny fatin’aretina tsy azo



                              princio

Partager infirmiera

Commenter infirmiera

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe PRINCIO

Suite