4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Any am-piangonana - PRINCIO

Raha toa ialahy ka mitady vaiavy

Tsy ho vadina tsy hatao mariazy e

Fa ho atao vavivazy e

Hanalan'là azy e

Ndàna mivoaka makany amin'ny boaty

Fa any bobaka mahafatifaty

Sady tsara sokatry e

No mora mitapitapy e



Fa raha hoe sipa ho ahalain'là vady

Any am-piangonana ilalahy raha hitady e

Rehefa andro alahady e

Any no tena misy azy e

Any am-piangonana betsaka sipa

Sady manja no tsy mba maditra e

Ka raha hitady vady

Dia mandehana miangona ry bandy e

... ... ... ...

Raha toa ialahy hitady manangy

Tsy ho vadiana fa hatao sangisangy e

Rehefa tafandry mandry

Dia hatao veloma mampamangy e

Ndana mivoaka makany amin'ny boaty

Fa any bobaka mahafatifaty

misy tsara sokatry e

Sady mailaka be rehefa katry e



Fa raha ho ampiakarina ho andefimandry

Any am-piangonana ihany ho'a ry zandry e

Rehefa alahady e, any raha hitady vady

Any am-piangonana no misy sipa

Tsy mba manana toetran'alika

Ka raha hoe haka vady e

Dia mandehana miangona ry bandy e



Dia midira, midira ao anatin'ny antokom-pihira

Ka manaova Choral

Dia mahita Tsin normal

Dia midira ho'a, midira ao anatin'ny antokom-pihira

Dia manaova Choral a

Dia mahita sipa milamina

Olom-banona, kristianina:

tsy atahorana sao dia mananina

fa milamina, olo-marina :

fa mivavaka vao mihinan-kanina

Olom-banona, kristianina :

Tsy mba tia mandehandeha amin'ny alina

Fa milamina olo-marina :

Tsy manidina toa rôplanina ho'a

... ... ... ... ... ...

... ... ... ... ... ...

Dia midira, midira ao anatin'ny antokom-pihira

Dia manaova Choral a

Dia mahita Tsin normal

Dia midira ho'a, midira ao anatin'ny antokom-pihira

Dia manaova Choral a

Dia mahita sipa milamina

Olom-banona, kristianina:

tsy atahorana sao dia mananina

fa milamina, olo-marina :

fa mivavaka vao mihinan-kanina

Olom-banona, kristianina :

Tsy mba tia mandehandeha amin'ny alina

Fa milamina olo-marina :

Tsy manidina toa rôplanina ho'a



Olom-banona, kristianina :

tsy atahorana sao dia mananina

fa milamina, olo-marina :

fa mivavaka vao mihinan-kanina

Olom-banona, kristianina :

Tsy mba tia mandehandeha amin'ny alina

Fa milamina olo-marina :

Tsy manidina toa rôplanina ho'a

Partager any am-piangonana

Commenter any am-piangonana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe PRINCIO

Suite