4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ambohibao - PRINCIO

Tsy hitako intsony akia izay tena marina

ny ao anatin'ny lohabenao

fa ny feoko ihany anie no farina (farina)

Farina be manambitamby anao

Tena sarotra loatra raha takarina

Ireo harena be tadiavinao

Ahafahantsika mba manarina (manarina)

Izao gidragidra lavareny izao

Aiza no hahatakarako 4*4 e

Izay tômôbilina be tadiavinao

Rehefa tsy handeha bus ianao dia mi-battre (mi-battre)

Mi-battre irery hatrany Ambohibao

Farafahalikamatiny ianao mba miasa

Dia afaka mba manao izay sitrakao

Fa tsy voretaka be no sady mikasa (mikasa)

Mikasa hividy an'izao rehetra izao

Ny tabatabanao efa mankarenina

Milelalela lava sady mi-scene

Tsisy mba vitanao afatsy mimenomenona mipenompenona

Tena mahasosotra mihitsy ianao leitie

Tena tsy hitako intsony tsy hitako intsony izay mba zavatra tadiavinao

Tena tsy vitako intsony tsy vitako intsony tsy vitako intsony ilay revin-gadranao

Tena tsy vitako intsony tsy vitako intsony tsy vitako intsony fa ny azo atao dia averiko amin'ny havanao ianao

Tsy hitako intsony akia izay tena marina

ny ao anatin'ny lohabenao

fa ny feoko ihany anie no farina

Farina be manambitamby anao

Tsy possible anefa aleo dia tsorina

Hanao izay revin-gadranao

Tianao hohenjikenjehina hosamborina

Izao revina mpanankarena rehetra izao

Lafo loatra anie fa tena sanina (sanina)

Ireo jean ambony ambany tadiavinao

Rehefa tsy hividy fripy ianao dia mijanona (mijanona)

Miboridana be hatrany Ambohibao

Farafahalikamatiny ianao mba mikandra

Dia afaka mba manao izay sitrakao

Fa tsy voretaka be mivandravandra

Mitsiriritra an'izao rehetra izao

Ny tabatabanao efa mankarenina

Milelalela lava sady mi-scene

Tsisy mba vitanao afatsy mimenomenona mipenompenona

Tena mahasosotra mihitsy ianao leitie

Tena tsy hitako intsony tsy hitako intsony izay mba zavatra tadiavinao

Tena tsy vitako intsony tsy vitako intsony tsy vitako intsony ilay revin-gadranao

Tena tsy hitako intsony tsy hitako intsony izay mba zavatra tadiavinao

Tena tsy vitako intsony tsy vitako intsony tsy vitako intsony fa ny azo atao dia averiko amin'ny havanao ianao

Tena tsy hitako intsony tsy hitako intsony izay mba zavatra tadiavinao

Tena tsy vitako intsony tsy vitako intsony tsy vitako intsony ilay revin-gadranao

Tena tsy hitako intsony tsy hitako intsony izay mba zavatra tadiavinao

Tena tsy vitako intsony tsy vitako intsony tsy vitako intsony fa ny azo atao dia averiko amin'ny havanao ianao

Partager ambohibao

Commenter ambohibao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe PRINCIO

Suite