4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Aza kianina !!! - PRINCIO

                                                  Aza kianina !



Ho anareo izay zatra manaratsy vehivavy , tsy mendrika an’zany izy ireny

Aza dia mivatravatra aza dia be fiavy , mandiniha aloha izay vao mba miteny

Lazainareo fa maditra izy ary tsy manaja tena

Ka menatra ny fiaraha monina ê !

Alainareo baraka izy mijaly mahonena ; sady kianina , ompaina  no ozonina

Rehefa tsy zakanareo izy dia aza terena , miala moramora , mahaiza mionona ô!

Fa aza izy foana no ho rebirebena sy hanononana izy teny tsy fanonona



Ref: O ôôôô! Ie ! aza kianina izy oa  fa tsy tiana ê!

Tsy misy na iray aza minareo no afaka hanome azy tsiny

O ôôôô! Ie ! aza ozonina izy oa fa tsy voany

Zay mbola tsy nanota taminareo ,no aoka hitorabato azy voalohany !



Aza ny vehivavy foana no omenareo tsiny

Fa tsy mamely ‘nareo matoa tsy tiany

Tsy omenareo azy izay mba zavatra iriany

Tsy mahagaga izy raha miaraka amin’ny vahiny

Efa sarotra anie ny fiainana ankehitriny

Tsy mandeha ho azy toy ny andro fahiny !

Ka izay mampiadana azy ihany no fidiany

Fa raha bandy tsy alehany ariany

Nareo manenjika azy no tavela ato afara

Izy enjehina tsy maintsy eo aloha ô!

Dia voatery ho ianareo foana no tara ,fa izy foana no maha voa

Ilay saina maramara ajanony fa tsy tsara , tsy mba mampivoatra tokoa ô!

Ka mba omeo tso-drano izy rehefa tsy anjara ,fa aza ampiasaina mokondoha

Rehefa tsy mila anareo izy dia aza terena , miala moramora mahaiza mionona ô!

Fa aza izy foana no ho rebirebena sady ho kianina ; hompaina no hozonina

Ref:

Mahereza ra vehivavy ! aza miraharaha an’zany ! mitsangana ! mandehana !

Dia aza tomany !fa reveo ny revinao ! izay tinao ihany atao !



                                                              PRINCIO

Partager aza kianina !!!

Commenter aza kianina !!!

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe PRINCIO

Suite