4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Zany no fiainana iainana aty - Lolo sy ny Tariny

Nananika ny tohatra sy havoana marobe

Nitety lohasaha, nanaraka arabe aho izay vao tonga e

Nanangona ny ora ho lasana andro maro, nanangona ny andro ho lasa taona maro aho izay vao tonga e!

Sarotra ny làlana mitondra fiadanana

(Mitety lakilasy sy mandrovi-pataloha

Eny ambony dabilio an!)²

Aaaaaahhhhhaaaaaaahhhhhaaaa!



Ao am-paosiko ao kanefa misy bibilava

Bibilava ngezabe, bibilava noana lava tsy ho voky an

Nisy ireo nijanona nanambitamby ny azy

Ka ny fianarana nanjary vazy² ka tsy tody an

Tsemboka ny handrina vao mba mihinan-kanina

(Manao batilazy sy mandrovi-pataloha

Eny antsisin’arabe an)²

Aaaahhhhhaaaaaahhhhhhaaaaaaa!

(Zany no fiainana iainana aty e!)²

Fiainana toy ny vola taratasy a

(Vola taratasy tsy anananay a)²

(fa tena lafo vidy)²

aaaaaahhhhhhaaaaaaaaaaaaaahhhhaaa!



Nisy kosa ireo tsy mba nianatra firy

Tsy mba niezaka, tsy mba nikiry dia tafita e!

Niandry ny dadany, dadany ho faty

Niandry ny neniny, neniny ho faty dia tafita e!

Niandry ny lova be

Dia tonga ny lova be

(Nandihindihy, nandany vola tany anaty tranobe a)²

aaahhhhhaaaaaaaaaahhhhaaaaa!



(Zany no fiainana iainana aty e!)²

Fiainana mifono taratasy a

(Taratasy mankany aminay e!)²

(Feno soratsoratry ny olo-mahay e!)²

Ka mandidy,

Tsy refesi-mandidy

Iiiihhhhhiiiiihhiiiiiii!



Nananika ny tohatra sy havoana marobe,

Nitety lohasaha, nanaraka arabe aho izay vao tonga e...


Partager zany no fiainana iainana aty

Commenter zany no fiainana iainana aty

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lolo sy ny Tariny

Suite