4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Zakarandahy - Lôlô sy ny tariny

Hafahafa ho'aho ny tontolon'izy iny
Zakaranda mipoapoaka
Fonfon-tany mando no mba tiany
Rehefa volana Oktobra
Orana mitendry ny fanitso
Izay no hira tiany indrindra
Ilay masoandro mody hamonjy ampitso
Sinemany takariva

Izy tsy nanao kahie de sovenira
Ilay alefa mandehandeha
Tsy nanangona sarina mpihira
Hatao peta-drindrina
Nampatahotra azy ny bal amin'ny alina
Tabataba matimaty jiro
Mampanonofy ratsy, nofinofy adala
Na maraina aza tsy adino

Rojo volafotsy tefin-karana
Tazako eo an-tratrany
Io no nanome ahy hazavana
Fantatro ny anarany

Lasa bitsibitsiko isan'andro
Rehefa izay mba mifanena
Lasa hirahirako atoandro
Nofiko hadiva haraina

Fa nitoetra teo iny fitiavako iny
Tsy mba nisy resa-be
Arahaba iray, tsiky no nidify
Dia samy lasa nandeha
Samy mba nanohy ny eritreriny any
Ny azy aloha tsy fantatro
Fa ny ahy niova hira ihany
Asa izay raha tsapany
Hafahafa ho'aho ny tontolon'izy iny
Zakaranda mipoapoaka
Fonfon-tany mando lasa tiako
Rehefa volana Oktobra

Partager zakarandahy

Commenter zakarandahy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lôlô sy ny tariny

Suite