4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Zaho anie jeso - ANJOMARA-Anosivavaka

zaho anie Jeso ka mba maniry

tsy haditra intsony na hikiry

fa hiova fo ka tsy hania

ho sakaizanao mandrakizay doria



REF: zaho anie Jesosy

mba diovinao ho tempolinao

zaho anie Jesosy

mba onenonao mandrakizay doria



zaho anie Jeso manolo-tena

hanara-dia anao ka tsy hivena

raha sendra rivodoza anie tohano

raha tojo fahoriana mba tantano



REF: zaho anie Jesosy

mba diovinao ho tempolinao

zaho anie Jesosy

mba onenonao mandrakizay doria



zaho ania Jeso matoky Anao

lay Mpamonjy tia ka tsy mandao

fa mandray ny ondry zay nania

ho ambalanao doria doria



ANTOKO MPIHIRA ANJOMARA ANOSIVAVAKA AMBOHIMANARINA (RYV 1)

Partager zaho anie jeso

Commenter zaho anie jeso

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe ANJOMARA-Anosivavaka