4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Andriamanitra ve no mandao ? - ANJOMARA-Anosivavaka

Ity hira ity dia ao anatin’ny K7/CD vol.2 navoakan’ny ANJOMARA-Anosivavaka tamin’ny taona 2001.



ANDRIAMANITRA VE NO MANDAO ?

Feony : Ndratoson Georges Benjamin

Tonony : Ndratoson Georges Benjamin



Andriamanitra ve no mandao ?

Sa ny olona, ho’aho, no efa leo ?

Andriamanitra ve no mandao ?

Ka tsy rototra intsony izy mitady Anao ?



Andriamanitra ve no mandao ?

Sa ny olona, ho’aho, no manao tsy ho tola ?

Andriamanitra ve no mandao ?

Ka tsy mihevitra afa-tsy harena sy vola ?



Andriamanitra tsy mandao ;

Fa ny olona, ho’aho, no manao izay tiany atao.



Fa feno haratsiana ny fiainana an-tany,

Inona, ho’aho, no mahatonga izany ?

Ô Jeso, aza mba hafoinao izahay !

Ô, nahoana ?



Andriamanitra ve no mandao ?

Sa ny olona, ho’aho, no be lalao ?

Andriamanitra ve no mandao ?

Ka tsy fantany intsony izay tokony atao ?



Misy fetra anie ny fotoana

Hivavahana sy hitalahoana,

Mba tsy ho tratry ny ngidin’ny nenina mafy

Tsy laitra ianao !



Andriamanitra tsy mandao ;

Io Izy miandry ahy sy anao.

Partager andriamanitra ve no mandao ?

Commenter andriamanitra ve no mandao ?

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe ANJOMARA-Anosivavaka