4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Raha tonga anio - ANJOMARA-Anosivavaka

Raha tonga anio avy ao anatin’ny rahona Jesoa mba hanao ahoana re

Moa efa vita tsara ve ny fiomanana handray ny Tompo lehibe

Ny hosana ve no ho ventesinao hampiseho ny fahavononanao

Sa ny vatolampy kosa no antsoinao ho avy hanarona anao



Raha tonga anio avy ao anatin’ny rahona Jesoa hitsena ve ianao

Ho tampoka aminao sa efa nandrasanao izao fihaviany izao

Moa ny fifaliana sy ny avotra no antenainao ho entiny ho anao

Sa ny horohoro ary ny tahotra no hameno ny ao anatinao



Raha tonga anio avy ao anatin’ny rahona Jesoa moa ve mba fantatrao

Fa hiavaka eo ireo ho vry ary ireo ho ao Salema vaovao

Nosasany ve ireo helokao ary akariny ianao ho ary

Sa ho fiampangana hanameloka anao ny rà nalatsany taty

Partager raha tonga anio

Commenter raha tonga anio

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe ANJOMARA-Anosivavaka