4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Akaikinao, andriamanitra ô ! - ANJOMARA-Anosivavaka

Ity hira ity dia ao anatin’ny K7/CD vol.2 navoakan’ny ANJOMARA-Anosivavaka tamin’ny taona 2001.



AKAIKINAO, ANDRIAMANITRA O !

Feony : Rajonson (mpamoron-kira tao amin’ny fiangonana Tranovato Anatirova fahiny)

Tonony : Rajonson



Akaikinao, Andriamanitra ô,

No lavitry ny horohoro.

Miravo tsy mba manana adim-po,

Na lanitra aza no hikoro.



Eo anilanao, ry Jeso Tompo,

Ny fo mitady fierena.

Na misafoaka aza ny manjo,

Tsy azon-doza akaikena.



Fanahy Masina ô, onony re

Ny fo izay valaka sy hana !

Tantano ho tafita re

Na tondraka aza i Jordanina.



Ny torimaso farany

Izay handaozanay ny fahoriana

No vavahady izay hidiranay,

Handraisanay ny fifaliana.

Partager akaikinao, andriamanitra ô !

Commenter akaikinao, andriamanitra ô !

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe ANJOMARA-Anosivavaka