4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mahaiza mifamela - ANJOMARA-Anosivavaka

Ianao sy iny olona iny

Niady hatry ny ela

Mandrak’ankehitriny

Tsy mbola nifamela

Tsy tantinao mantsy

Ny miondrika mifona

Tsy anao angamba ny hadisoana

Rehefa alahady

Dia indro ianao mitady

Mitady vonjy ho anao irery

Fa ny ralahinao izay niady taminao

Toa satrinao izy ho very

Satrinao ho azo hatrany ny indrafo tsy lany

Nefa ny ralahinao tsy tianao hahazo izany

Maminao dia maminao ny fitiavan’i Jeso

Nefa ny ralahinao tsy mba hamindranao fo

Moa ve ny otanao tianao voafafa

Zay tianao atao anao mba ataovy amin’ny hafa

Mba tahafo sy araho ny fiainan’iJeso

Izy efa tiantsika hatramin’ny taloha

Koa samia mifamela,samia mifankatia

Rehefa miombona anie mahafinaritra ery!

Anio tsy izany intsony

Mahaiza mifamela

Sao neninao ka aza ela

Raha toa mifankatia dia rava ny ahiahy

Fiadanan-tsaina sy fanahy


Partager mahaiza mifamela

Commenter mahaiza mifamela

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe ANJOMARA-Anosivavaka