4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ao aminao - ANJOMARA-Anosivavaka

Ny ANJOMARA-Anosivavaka dia ny antoko mpihira ao amin’ny FJKM Anosivavaka-Ambohimanarina (Antananarivo), niorina tamin’ny 13 febroary 1966.

Ity hira ity dia ao anatin’ny K7/CD vol.2 nivoaka tamin’ny taona 2001.



AO AMINAO

Feony : Rakotoarison Désiré

Tonony : Andriamaheninjafy Solofo



1. Injao onjam-panahy, mandòna ny fo,

Feo mibitsika mora mitaona ahy izao

Mba hiverina indray ao am-balan’ny Ray,

Honina ao mandrakizay.



Mpiandry tsara ô, vohay hidirako indray

Ho ao Aminao, ho ao Aminao.

Ao Aminao no misy ny soa

Ho an’izay madio am-po.



2. Ao am-balany ao ny ondry nania

No mitoetra sy mandry fa lavi-manjo,

Ka matoky fa hay ny ondry mamin’ny Ray

Honina ao mandrakizay.



Mpiandry tsara ô, vohay hidirako indray

Ho ao Aminao, ho ao Aminao.

Ao Aminao no misy ny soa

Ha an’izay madio am-po.

Partager ao aminao

Commenter ao aminao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe ANJOMARA-Anosivavaka