4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ramano be galona - Lolo sy ny Tariny

Ny tanin-dRamano

Dia tany zanatany

Ny tany tamin’izany

Mbola feno zanatany



  Nanainga i Ramano

  Tsy afaka nandà!

  Nirongo basy lava

  Nilanja barida



Ady no naleha

Tsy anaovana kinanga

Nitifitra na maty

Nefa olon-janatany



  

  Naverina  Ramano

  Tsy maty nefa angano

  Ny olona eny an-dàlana

  Mihomehy ny galonany



Galonan-dRamano

Dia misy tena izy

Fa misy mampihomehy

Mampioraka ny ankizy



  Satria kapsily

  Sy fatina bilao

  Mikoritsana eny an-tratrany

  Grady be tsy zakany





Nalevina omaly

Ramano be Galona

Ireo mpananihany

Nanjary nitomany



   Ny tanin-dRamano

   Dia tany zanatany

   Ny tany tamin’izany

   Mbola feno Zanatany

  

Partager ramano be galona

Commenter ramano be galona

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lolo sy ny Tariny

Suite