4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Raditra - Lolo sy ny Tariny

Io Raditra fa mipitrapitra

Eo ambaravaran’ny Baoro

Mando maso mahita ny akama

Mandao ny varavaran’ny Baoro  



  Soa fa nisy ihany voalavo

  Mba namany tsy nanary

  Izarany ny alahelo

  Sy vary masiso tsy lany



Masoandro firy no efa nandalo

Teo atsinanan’ny Baoro?

Fa Raditra tsy mba nanisa

Fa niandry ny anjarany foana



  Lala ô! Lala ô!

  Ity ilay aretina mampingoso Anabavy

  Firy taona izao moa Raditra

  No tsy mba nahita Vehivavy



Ory Raditra raha sendra mahita

Mpifankatia mandalo

Taloha any izy ka olona mihaja

Sy Lehilahy mba vita sonia



  Lalaô!Lalaô!

  Efa maty ve no tsy hitako

  Mandalo intsony?

  Fa ny an’i Raditra ka

  Efa babon-dehilahy ny fony



Io Raditra fa mipitrapitra

..........................

Izarany ny alahelo

Sy Vary masiso tsy lany

Partager raditra

Commenter raditra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lolo sy ny Tariny

Suite