4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Paradisa - PRINCIO

Marina fa tena tsara be izany paradisa izany

Voasoratra ao anatin'ny Bokibe izay nataon'ireo mpaminany

Miadana be sady faly be tsy mba toy ny ety an-tany

Tsisy marary na malahelo na tomany

Lafatra be tsisy ohatr'izany



Marina fa tena tsara be ilay any an-danitra any

Miaina eo akaikin-dRazokibe Ilay namorona ny tany

Tsy miasa saina mikandra be fa tolorana izay lany

Sady tsy mila mandoa frais izay mankany

Fa misy maka eo ihany



Fa saingy na lafatra aza ny any

Raha azoko atao dia mijanona eto ihany

Fa mbola tamana eto an-tany



Fa ety an-tany aho mbola afaka misotrosotro labiera miaraka amin'ny akama

Any an-danitra any aho dia tsy afaka hifandondona vera amin'i Abrahama sy Adama

Ety an-tany aho mbola afaka mihodinkodina kely manadala joba

Any an-danitra any aho raha mikotikoty ny zanak'anjely dia bedin'i Jakoba



Ka avelao, avelao aho mba hijanona eto ihany (hijanona eto ihany)

Avelao aho mba hijanona eto ihany (hijanona eto ihany)

Fa matsiro anie ilay miaina eto an-tany

Ka tena malaina aho ny ho any an-danitra any e





Marina fa tena tsara be izany paradisa izany

Masaka be tsy mba mampihomehy toy ny revy ety an-tany

Satria porofo mazava be fa izay rehetra miakatra any

Tsisy mba midina mandehandeha eto an-tany

Fa dia tamana be any



Fa saingy na lafatra aza ny any

Raha azoko atao dia mijanona eto ihany

Fa mbola tamana eto an-tany



Ety an-tany aho raha te hivoaboaka mandeha mibalady tsy mila miera

Any an-danitra any aho tsy mahazo mivoaka ilay vavahady ambenan'i Masindahy Piera (Eh, tsy mahazo mivoaka eo an)

Ety an-tany rehefa mozika dia tsy mampaninona azo atao daholo

Any an-danitra any aho manao Darling ho'aho Darling bedin'ny Masindahy Paoly sy ny Apostoly



Ka miangavy aho mba hijanona eto ihany (hijanona eto ihany)

Ka miangavy aho mba tsy halaina mankany (hijanona eto ihany)

Fa matsiro anie ilay miaina eto an-tany

Ka tena malaina ny ho any an-danitra any



Fa ho anareo izay manan-kevitra ho any

Mba hafaro anie ilay havanay any

Mbola hihaona hono indray andro any

Fa ry lehirony hono mbola tamana eto an-tany



Fa mampamangy any amin-dRabaininay any

Amin'ireo bandy akama sy ny hava-malala efa lasa any

Ry Ando ry Eric ry Mysteric ry Ali ry Zafihita

Tsy adino ra Tôty Rajim sy ny sisa sy ny akama efa lasa any am-paradisa be dia be

Partager paradisa

Commenter paradisa

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe PRINCIO

Suite