4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Olona manavy - Lolo sy ny Tariny

Io lanitra io anie,

Rehefa lanaky ny mitahy,

Io lanitra io anie,

Ka mandreraka fanahy,

Alatsany ny orana,

Maloka ny andro,

Tsy misioka ny vorona,

Mangitsy ny masoandro,

Ny matory te-hifoha,

Fa marary ny andoha,

Tsy orana tsy rivotra

Ny fonao no mangovitra,

Olona lanaky ny dia,

Olona nalavon’ny fitia,

Olona tsy manana ny hoavy,

Ny olona manavy.



Io afo am-patana io anie,

Andramo lemo rano,

Io afo am-patana io anie,

Ka mampanganohano,

Ny masonao mitsiky,

Manjary te hikimpy

Fa tany karankaina,

Ny molotrao no maina,

Miantso nefa tsy afaka,

Vao mamindra dia solafaka

Matahotra mijoro,

Ny fanahy no mangorohoro,

Olona lanaky ny dia,

Olona nalavon’ny fitia,

Olona tsy manana ny ho avy,

Ny zazalahy nilaozan-jazavavy

Partager olona manavy

Commenter olona manavy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lolo sy ny Tariny

Suite