4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Misy voalohany, misy farany - Lolo sy ny Tariny

Misy voalohany misy farany

Ny hira izay atao

Koa indro ry tiana ny ahy

Hofaranako eto izao



Androany avelao aho hody

F'efa manina aho

Tsy mahita hira intsony

Izay mety atolotro anao

a a a



Mangovitra ny tanako

Efa reraka tokoa

Raha mbola hanohy eyo ihany

Ny feoko tsy aharaka izany



Androany avelao aho hody

F'efa vizana aho

Tsy mahita hira intsony

Izay mety handrotsiana anao

a a a



Raha ny fitiavako ry tiana

Tsy ho tapitra akory

Ny any ivelany efa mangina

Avelao koa aho mba hatory



Androany aho avelao hody

F'efa alina

Tsy mahahira intsony

Veloma no atao

a a a



Androany aho avelao hody

'efa alina

Tsy mahahira intsony

Veloma no atao

Partager misy voalohany, misy farany

Commenter misy voalohany, misy farany

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lolo sy ny Tariny

Suite