4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Lasa mpihira daholo - PRINCIO

Fa lasa mpihira i Rakoto, dia lasa mpihira i Rabe

Dia nihira koa i Madama, dia nihira koa i Ramose

Ka indro nahita an'izany, dia nihira ny iray fokontany

Ka tsy olona ambony tsy ambany dia nihirahira fahatany



Dia nihira koa i Georgette, dia nihira koa i Paquerette

Tao anaty fotoana vetivety, dia feno artista ny tampon-tanety

Ka na mety ilay izy na tsy mety, dia avoaka CD sy kasety

Sitrany ahay mba ho lasa vedety, hipoitra gazety sy amin'ny internet



Sitrany ahay heno amin'ny radio, sitrany ahay miseho tele

Dia mandeha manao studio, mihira daholo ny daholobe

Dia nihira ny mpanao afera, dia nihira koa ny pasitera

Ny evangélique ery midera, ny tropical ety mampiseho deriera



Izany Rakoto ny aty aminay

Lasa mpihira avokoa izahay

Na mahay io na tsy mahay

Ilay zava-kanto mba tokony hilay

Ataon'ny sasany ala safay

Tena mahasosotra mampikolay



Izany ho'aho ry Dada no aty aminay

Toa mpanakanto avokoa izahay

Na mahay io na tsy mahay

Ilay kolontsaina mba tokony hilay

Ataon'ny sasany ala safay

Mampikolay tena mahasosotra e



Dia nihira koa i Théophile, dia nanaraka koa i Basile

Lasa style-n'ny aty amin'ny ville hoe te ho artiste daholo ny kill

Isan'andro mandritry ny taona, dia misy mipoitra eny foana

Izay antony tsy hay hoe ahoana, fa mihira avokoa izay tsy moana



Dia nihira koa i sipabe, izay ratsy feo fa tsara fe

Efa tazana tamin'ny tele, mampandihy fitombenana be

Fa ny sasany manao clip e, dia tsy vitan'ny mitsikitsiky e

Fa tena tsy menatra mihitsy e, fa asehony hatramin'ny slip e



Sanatria aho raha manisy sira, tsy maneso na maniratsira

Fa misy sasany amin'ireo hira no mampi-te hanary any anaty zôridira



Izany Rakoto ny aty aminay

Lasa mpihira avokoa izahay

Na mahay io na tsy mahay

Ilay zava-kanto mba tokony hilay

Ataon'ny sasany ala safay

Tena mahasosotra mampikolay



Izany ho'aho ry Dada no aty aminay

Toa mpanakanto avokoa izahay

Na mahay io na tsy mahay

Ilay kolontsaina mba tokony hilay

Ataon'ny sasany ala safay

Mampikolay tena mahasosotra e



Izany Rakoto ny aty aminay

Lasa mpihira avokoa izahay

Na mahay io na tsy mahay

Ilay zava-kanto mba tokony hilay

Ataon'ny sasany ala safay

Tena mahasosotra mampikolay



Izany ho'aho ry Dada no aty aminay

Toa mpanakanto avokoa izahay

Na mahay io na tsy mahay

Ilay kolontsaina mba tokony hilay

Ataon'ny sasany ala safay

Mampikolay tena mahasosotra e



Ilay zava-kanto mba tokony hilay

Ataon'ny sasany ala safay

Tena mahasosotra mampikolay

Ilay kolontsaina mba tokony hilay

Ataon'ny sasany ala safay

Mampikolay tena mahasosotra e

Partager lasa mpihira daholo

Commenter lasa mpihira daholo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe PRINCIO

Suite